Posted in Actualités

Fanajana ny zon’ny ankizy.

📌Ho famaranana ny fankalazan’ny Minisiteran’ny Fitsarana ny Iray Volan’ny Ankizy dia nakatona anio ny fivoriamben’ireo Mpitsara ny raharaha momba ny ankizy manerana ny Nosy izay notanterahina tao amin’ny Hôtel Carlton nandritry ny telo andro.
Nandritry ny lahateniny, ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana dia nanamafy fa ny tombontsoa ambonin’ny ankizy no tokony jeren’ny Mpitsara rehefa mandray raharaha momba ny ankizy.

⭕Nampatsiahy ihany koa izy fa misy fepetra hafa azo raisina amin’ny ankizy nanao heloka alohan’ny famonjana, izay vahaolana farany.
Mbola maro ihany koa ny fepetra notanisain-dRamatoa Ministra entina hanatsarana ny fitsarana ny raharaha mahakasika ny ankizy. Izany no natao dia ho fanamafisana hatrany ny zon’ny ankizy hanana fitsinjovana manokana rehefa manan-draharaha eny amin’ny fitsarana.
Ity atrikasa ity moa dia notohanan’ny mpiara-miombon’antoka UNICEF.

➡️Talohan’ity lanonana famaranana ity ihany koa no nisantarana ny fifaninanana « Ny zontsika, ny hoavintsika » izay nokarakarain’y Minisiteran’ny Fitsarana manokana ka nandraisan’ireo ankizy tezaina eny amin’ny Akany rehetra eto Antananarivo anjara tamin’ny fizarana ny mari-pankasitrahana sy ny loka ho an’ireo sangan’asa miavaka indrindra isan-tsokajiny. Ka ankizy 22 tamin’ireo ankizy 461 nandray anjara no nahazo izany loka izany izay ahitana tablette, kitapo misy fitaovam-pianarana maro, kilalao, boky, akanjo, sns. Ireo fanomezana ireo dia nentina hanandratana hatrany ny zon’ireo ankizy ireo.

🎥 Horonan-tsary fohy

Posted in Actualités

Fanatsarana ny Fitsarana.

📌Ao anatin’ny fankalazana hatrany ny Iray Volan’ny Ankizy dia mamory ireo Mpitsara sy Tonia mpampanoa lalàna ary Mpisolo Tonia miandraikitra ny raharaham-pitsarana mahakasika ny ankizy eo anivon’ireo Fitsarana Ambaratonga Voalohany erak’i Madagasikara ny Minisiteran’ny Fitsarana. Tanterahina eto Antananarivo mandritry ny telo andro izany fivoriana izany eto amin’ny Hotely Carlton Anosy, izay nosokafan’ny Mpitahiry ny Tombonkasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana tamin’ny fomba ofisialy anio 19 jona 2024.

➡️Ny tanjon’izany fivoriana izany dia ny fanatsarana ny fomba fitsarana ny raharaha izay misy idiran’ny ankizy mba ho fitsinjovana ny tombotsoa ambonin’izy ireo.

⭕Mandritra io telo andro io, ireo mpandray anjara dia hifampizara ny fampiharana ny lalàna manankery sy ny olana mety sedrain’ny ratsam-pitsarana ary hijery vahaolana mba ho fampandrosoana ny raharaham-pitsarana sy ho fiarovana ny zon’ireo ankizy manan-draharaha ireo.

🔹Izao hetsika izao dia mifanandrify hatrany amin’ny Andry voalohany napetraky ny Filoham-pirenena dia ny fanandratana ny maha olona, sy ny andry fahatelo dia ny Fanjakana tsara tantana.
Fitsarana miasa aingana, manakaiky vahoaka ary mangaraharaha ao anatin’ny fanajana ny zon’olombelona no kendrena hoy ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panajakana, Ministry ny Fitsarana raha nitafatafa tamin’ireo mpanao gazety ny tenany.

⭐Ny UNICEF izay mpiara-miombon’antoka amin’ny Minisitera moa no manohana an’izao fivoriana izao.

🎥 Horonan-tsary fohy

Posted in Actualités

Akany Avoko Bevalala.

📌Ho fanohizana ny fankalazana ny iray volan’ny ankizy dia tonga nitsidika sy nanolotra fanomezana ho an’ny ankizy ao amin’ny Akany Avoko Bevalala ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana anio 17 Jona 2024.

✅Ho fanohana an’ireo ankizy hiatrika ny fanandinam-panjakana ary koa ho fanampiana ny Akany no antony izao mba ho fanantanterahina hatrany ny Andry voalohan’ny Fitondram-panjakana izay mitandro ny maha-olona.
Marihana fa ny Akany Avoko Bevalala sy Aambohidratrimo dia eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fitsarana ka efa maro ireo firaha-miasa natao.

Posted in Actualités

Fitsidihana voafonja tsy ampy taona.

📌Ho fanamarihana ny fankalazana ny Iray volan’ny ankizy izao dia tsy diso anjara ireo voafonja tsy ampy taona eto amin’ny Fonjan’i Marofoto Mahajanga ka tonga nitondra izay voatsirambin’ny tanana ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy mba ho fanatanterahina ny andry voalohan’ny Fanjakana izay fanandratana ny maha-olona.

➡️Noho izany dia notolorana kidoro, ondana, botofotsy, akanjo, savony ary boky ireo ankizy ireo.

⭕Manana zo ireo ankizy na voafonja aza hoy ny Ministra, mendrika hahazo fanabeazana sy fanarenana izy ireo mba rehefa hiverina eny anivon’ny fiaraha-monina dia afaka hanohy ny fiainana andavanandro indray sy hibanjina ny ho aviny. Nametraka toromarika ihany koa ny Ministra mba hanafainganana ny fitsarana ireo izay mbola tsy voatsara.

Posted in Actualités

Fivorian’ny lehiben’ny Fitsarana.

📌Zoma 14 jona 2024, nofaranana ny fivoriana hateloana an’ny Lehiben’ny Sampam-pitsarana misahana ny ady ifanaovan’ny olon-tsotra eto Mahajanga sy Antsiranana.

✅Nanamarika ny fivoriana ny fandraisana anjara mavitrika an’ireo mpandray anjara ary hita ny fahavononan’ny tsirairay hanatsara sy hampitovy ny fomba fiasa isaky ny rantsam-pitsarana araky ny fifanakalozana natao.

➡️Nanamafy ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana fa araky ny Andry fahatelon’ny Fanjakana dia mila hatsaraina ny fitantanana eo anivon’ny fitsarana mba hitondra vokatra azo tsapain-tanana manoloana ireo vahoaka manan-draharaha ary hitondra fanovana eo amin’ny asa.

⭕Hentitra ny Minisitra tamin’ny fampatsiahivana ireo Lehiben’ny Sampam-pitsarana ireo ny amin’ny adidy sy andraikitra tokony efain’izy ireo amin’izany.
Tsiahivina fa ny lohahevitra tamin’ity fivoriana ity dia ny « Fahaizana mitarika sy fahaiza-mitantana manoloana ny fiovana eo anivon’ireo ratsam-pitsarana ».

🎥 Notanterahina ny 12-13-14 jona 2024, teto Mahajanga.